Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.